Mark 15

1Vao maraim-be, dia nivory ny mpisoronabe niaraka tamin’ireo loholona sy ireo mpanora-dalàna ary ny Synedriona Jiosy iray manontolo. Nofatoran’izy ireo Jesosy ary nentin’izy ireo nivoaka. Natolotr’izy ireo teo amin’i Pilato Izy. 2Nanontany Azy Pilato hoe: “lanao va no mpanjakan’ny jiosy?” Novaliany hoe: “Voalazanao.” 3Nanolotra fiampangana maro manohitra an’i Jesosy ireo lohan’ny mpisorona.

4Nanontany Azy indray Pilato hoe: “Tsy manome valin-teny va Ianao? Jereo ny habetsaky ny fiampangana entin’izy ireo manohitra Anao!” 5Fa tsy namaly an’i Pilato intsony Jesosy, dia nahagaga azy izany.

6Ary tamin’ny andro firavoravoana, dia namotsotra gadra iray ho azy ireo foana Pilato, gadra izay angatahan’izy ireo. 7Niaraka tamin’ ireo mpikomy tao am-ponja, teo amin’ireo mpamono olona izay voatazona nohon’ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fikomiana, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Barabasy. 8Dia nankeo amin’i Pilato ny vahoaka ka nanomboka nangataka taminy mba hanao ho azy ireo araka ny fanaony tany aloha.

9Pilato namaly azy ireo ka nanao hoe: “Tianareo va raha ny Mpanjakan’ny Jiosy no halefako ho anareo?” 10Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohan’ny mpisorona an’i Jesosy taminy. 11Fa nanentana ny vahoaka ireo lohan’ny mpisorona mba hihiaka mafy fa tokony ho Barabasy kosa no havotsotra.

12Dia namaly azy ireo indray Pilato ka nanao hoe: “Inona ary izany no tokony ho ataoko amin’ny Mpanjakan’ny Jiosy?” 13Dia nihiakiaka indray izy ireo hoe: “Homboy Izy!”

14Hoy Pilato tamin’izy ireo hoe: “Inona no ratsy nataony?” Fa nihiaka mafy hatrany hatrany izy ireo hoe: “Homboy Izy.” 15Te-hanao izay mahafa-po azy ireo Pilato, koa dia nafahany ho azy ireo Barabasy. Nokapohiny Jesosy ary avy eo natolony mba homboana.

16Nentin’ireo miaramila ho eo an-kianja Izy (izay ivon-toeran’ny fanjakana), ary nantsoin’ireo avokoa ny antoko miaramila manontolo 17Notafian’izy ireo lamba voloparasy Jesosy, ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo ka nametraka izany teo aminy. 18Dia nanomboka niarahaba Azy izy ireo ary niteny hoe: “Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!”

19Nokapohin’izy ireo tamin’ny volotara ny lohany sady nandrora teo aminy. Dia nandohalika teo anatrehany izy ireo mody nidera Azy. 20Rehefa avy naneso Azy izy ireo, dia nesorin’izy ireo taminy indray ny lamba volomparasy ary nampitafian’izy ireo Azy ny fitafiany manokana, ary dia nentin’ireo nivoaka Izy mba hanomboana Azy. 21Noteren’izy ireo ny mpandalo anankiray izay avy any an-tsaha mba hilanja ny hazofijalian’i Jesosy, lehilahy iray antsoina hoe Simona Kyreniana rain’i Aleksandra sy Rofosy.

22Nentin’ireo miaramila tany amin’ny toerana atao hoe Gologota Jesosy (izay midika hoe “Toeran’ny karandoha”). 23Nomen’izy ireo divay nifangaro miora Izy, fa tsy nisotro izany Izy. 24Dia nohomboan’izy ireo Izy ary nifampizaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny ankitsapaka ny fitafiany mba hahalalana izay ampahany raisin’ny miaramila tsirairay.

25Tamin’ny ora fahatelo Izy no nohomboan’izy ireo. 26Ary teo amin’ny takelaka hazo iray no nosoratan’izy ireo ny fiampangana nanohitra Azy hoe: “Mpanjakan’ny Jiosy.” 27Jiolahy roa no niaraka nohomboan’izy ireo taminy, ny iray teo ankavanany ary ny iray kosa teo ankaviany. 28[Fanamarihana: Ireo fandikana taloha tsara indrindra dia tsy manisy ny Marka 15: 28 hoe: ‘’Dia tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‘Natao ho isan’ny mpanota Izy.’ (Ampitahao ny Lioka 22: 35)]

29Ireo izay nandalo teo dia naniratsira Azy, nihifikifi-doha ary nanao hoe: “Aha! Ianao ilay afaka mandrava ny tempoly ary manorina izany ao anatin’ny telo andro, 30vonjeo ny tenanao ary midina avy eo amin’io hazofijaliana io!”

31Ny lohan’ny mpisorona koa dia naneso Azy tahaka izany, niaraka tamin’ireo mpanora- dalàna, ary niteny hoe: “Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tenany. 32Aoka ilay kristy, ilay Mpanjakan’Israely, hidina avy eo amin’ny hazofijaliana, mba ho hitanay ary hinoanay,” ary ireo nohomboana niaraka taminy koa dia naneso Azy.

33Tamin’ny ora faha-enina, dia tonga teo amin’ny tany rehetra ny aizina hatramin’ny ora fahasivy. 34Ary tamin’izany ora fahasivy izany dia nihiaka tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: “Eloy, Eloy, lamà sabaktany?” izay midika hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana Ianao no nahafoy Ahy?” 35Ny sasany tamin’ireo izay nitsangana teo nandre ny teniny ka niteny hoe: “’Jereo, miantso an’i Elia Izy.”

36Nisy olona iray nihazakazaka, namonto divay marikivy ny sipaonjy, ary nandraikitra izany tamin’ny volotara, dia nanome izany ho sotroiny. Ilay lehilahy nilaza hoe: “Aoka ho hitanay raha ho avy ampidina Azy eo Elia.” 37Avy eo Jesosy nihiaka tamin’ny feo mafy dia maty. 38Rovitra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny lamban’ny tempoly.

39Rehefa hitan’ilay kapiteny izay nitsangana sy nifanatrika tamin’i Jesosy fa maty tamin’izany fomba izany Izy, dia hoy Izy hoe: “Tena Zanak’Andriamanitra marina tokoa io lehilahy io.” 40Dia nisy vehivavy koa nijery teny lavitra teny. Isan’izany Maria Magdalena, Maria (renin’i Jakoba zandriny sy Josesy), ary Salome 41Tamin’Izy tany Galilia dia nanaraka Azy sy nanompo Azy izy ireo. Ary vehivavy maro hafa koa no niara-niakatra taminy tany Jerosalema.

42Koa rehefa tonga ny hariva, satria Andro Fiomanana, izany hoe, andro mialohan’ny Sabata io, 43dia tonga teo Josefa avy any Arimatia. Mpikambana hajaina ao amin’ny Synedriona izy, izay niandry ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanam-pasahiana izy nankany amin’i Pilato hangataka ny fatin’i Jesosy. 44Gaga Pilato hoe maty sahady Jesosy; dia nantsoiny ilay kapiteny ary nanontany azy izy raha maty Jesosy.

45Rehefa nahazo antoka tamin’ilay kapiteny izy fa maty Jesosy, dia nomeny an’i Josefa ny vatana mangatsiaka. 46Ary Josefa nividy hariry madinika. Nampidina an’i Jesosy teo amin’ny ny hazofijaliana izy, dia namono hariry madinika Azy, ary nametraka Azy tao amin’ny fasana izay nolavahana tao amin’ny vatolampy. Avy eo nanakodia vato teo amin’ny varavaram-pasana izy. Dia hitan’i Maria Magdalena sy Maria renin’i Josesy ny toerana nandevenana Azy.

47

Copyright information for PltULB